<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>499</hymn_number>
<title>Inona, re, no atakaloko FFPM499</title>
<lyrics>[V1]
 Inona re no hatakaloko
 An'i Jesosy Izay mpisoloko ?
 Ny zavatra izay ho simba va
 sy mora levona ?
 Raha mbola hazoniko ny to,
 Ka tsy maty ny jiro ao am-po,
 Jesosy tsy soloako na inona
 na inona.

[V2]
 Indro, Jesosy no fiainako,
 Izy no manda fiarovako ;
 Izaho efa maty, nefa
 novelominy indray.
 Ka na dia mahantra aza atý,
 Ka tsy mbola nafindra ho arý,
 Jesosy no anjarako, ka ampy
 ahy re izay.

[V3]
 O, ry Jesosy Tompo tsara ô !
 Aza mamela ny fanahiko
 Hisaraka aminao, fa tano aho
 ho mpanomponao.
 Mba velomy ny fitiavako,
 Ka tohano ny fandehanako,
 Mba hanarahako ny lalana
 izay nalehanao.</lyrics>
</song>